0

BLUE BEAM

Fanazavana mikasika ity tetikasa goavana an'ireo illuminati izay manomana ny Novel Ordre Mondial
——————–×————–

Tsy misy fandresena lahatra eto aloha haverina foana fa filazana ny zava-miafina sy ny teti-panorona entin'ireo vitsy anisa hifehy ity tontolo ity(illuminati, franc macon,sns…)

Ity dia tetikasa homananin'izy ireo miaraka amin'ny orinasa malaza be iray any amerika hoe NASA

Manana paikady efatra io NASA io amin'ity tetikasa goavana ity ary ny antikristy no atidoha mikotrika izany…Tiana ny mamerina fa ny fivavahan a fahiny dia saika nahitana ny fanampahan-kevitry ny gouvernement mondial(ireo vitsy anisy). Satria raha tsy misy ny fivavahana dia tsy ho tanteraka velively ity Nouvel Ordre Mondial ity(Ny fivavahana dia handray anjara betsaka amin'ny fametrahana azy ity ankoatra ny politika sy ny toe-karena dia eo ny fivavahana)

Inona ary ireo tanjon'ity tetikasa ity araka ny efa nambara fa mizara efatra mazava ny tanjony:

Voalohany: Manimba ny fahalala arkeolojika eto an-tany…Izay no antom-pisian'ireny horohoron-tany tsy voajanahary intsony fa efa noforonina(Io ilay H.A.A.R.P)
Mba hampino ny firenena tsirairay fa ny fivavahana ao aminy dia tsy mari-pototra hatrizay ka hatramin'izao.Mody halefany ny horohoron-tany sns any amin'ireo firenena tiany hampikorontanina amin'ny finoany ka hampidirany ny tiany
Azonareo Jerena fa nisy film navoakan-dry zareo mikasika an'ito efa fampiomanana antsika sahady ny zavatra ho ataony tany amin'ny taona 2001 ilay horonan-tsary no nivoaka "UNE ODYSSE DE L'ESPACE" sy "STAR TREK" ary "STARS WARS".Nasehony mazava tamin'ireo horonan-tsary ireo ny Fihavian'ireo "extra terrestre avy any amin'ny tsy hita maso sy ny Fitambaran'ny firenena rehetra eran-tany hady amin'ny fahavalo

Ny tsara ho fantatra mahakasika ity tanjona voalohany ity dia ny fampisehoana ny horohoron-tany mahatsiravina izay tsy hitan'ny manam-pahaizana sy ny siansa fa alefan-dry zareo hany mikorontana tanteraka ny mpahay siansa eran-tany satria misitery ilay zava-mitranga…Very hevitra ny maro ka tonga ho azy ny tahotra dia lasa foana koa ny finoany satria misy zavatra mihoapampana hita.Io no tanjona voalohany hapetrany mba hamotehany ny finoan'ny tsirairay ary hanamporofoiny fa hoe ny finoana misy dia tsy mari-pototra ary tsy azo itokiana(Christianisme,Musulman,Boudhiste sns…) Io no tena hampiasaa ilay H.A.A.R.P

Faharoa , dia ny fampisehoana sary na ilay antsoina hoe "Show inter galactique) amin'ny alalan'ny hologrammes tridimensionelle sy ny feony izay hanenika ity tontolo ka na aiza na aiza firenena dia ahita ity seho ity avokoa sary sy ny feo araka ny fiteniny avy sy ny finoany.Io feo vaovao izay lazaina fa feon'andriamanitra io dia mampanantena fa hisy zavatra mahagaga izay mbola tsy niainana aorinan'ny itenenany mandritra ny taona maro. Amin'ity tanjona faharoa ity dia misy zavatra toa izao
Fampisehoana an-tsary sy feo ireo Andriamanitra izay hinoan'ny firenena tsirairay ary hilaza ireo fa tsy mari-pototra sy tsy mahavonjy.
Avy aiza no ahavitana izany e?
Ity dia alefa miala avy eny amin'ny zana-bolana 80km miala amin'ny tany eny amin'ny Couche de Sodium no hiaingany
Hampidirany ihany koa ilay andriamanitra vaovao ilay mesia vaovao satria ao anatin'ny krizy tanteraka ny tany no alefa ity seho ka mitady mpamonjy ny olona…Raha sanatria amin'izao moa ity seho ity no mitranga dia maro no voafitaka satria tsy mahita izay aleha intsony ka minomino foana. Iza no tsy krizy sy mila vonjy amin'izao mo? ka manjary miankindoha ho azy amin'ny zavatra tsy mari-pototra. Ilay andriamanitra nantenaina nilaza fa diso. Dia eo no ahamaro ny olona ho lasan'ilay mesia vaovao satria izy mampanantena vahaolana sns…Ary aorian'ny isehoan'ity mesia vaovao ity dia hiely ny sariny eny hatrany ambanivohitra aza dia ahita sy hivavaka aminy amin'ny alalan'ny sariny(Mampalahelo)
Ity seho ity dia ahatsiravina satria misy efa mahalala anefa miroaroa saina.Ny ankamaroan'ny olona dia hino avokoa satria nandritra ny 2000 taona dia tsy nahitana Andriamanitra mamaha olana afatsy ity miseho ity.(Aza mba anisany izany ianao fa efa mahalala)

Fahatelo: Mazava ho azy ny fifironan'ilay finoana vaovao izay niseho nampanantena fa amaha olana ity anefa dia finoana noforonina tamin'ny alalan'ny fahaizana ara-tsiansa

Fahaefatra: dia ny faharavana tsikelikely ny finoana rehetra misy ary ny fihazakazahana any amin'ilay finoana tokana ka tsy hisy intsony ny hoe kristianina, musulman sns…Fa iray avokoa
——————–×—————–
Izany no zavatra efa voahomana ary haseho atsy ho atsy asa mba manao ahoana ny sainao hiatrika izany zavatra izany…Tsy tokony hatahotra ianao satria efa nahalala fa ny tsy mahalala aza efa tsy fidiny

Marka 13 : 22. Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana*, ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao izany.[*Na: hatsangana]

I Jaona 2 : 18. Rankizy, izao no ora farany, ary tahaka ny efa renareo fa ho avy ny* antikristy, sady maro no antikristy efa tonga sahady; koa izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany. [* Na: ilay]

Ora farany izao🕐
Mijanona ao-trano🏠
Manaova Aro-vava😷
Sasao matetika ny tanana👏🏻
Ary farany Matokia an'Andriamanitra🙏🏻
Hiaro anao anie izy

Faire un commentaire